<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>471</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He, sambatra aho, Jeso,
 raha miaraka Aminao,
 Fa ny làlanao dia lavi-
 pahoriana ;
 Ny ali-mampahory,
 ny raho-mitatao
 Eo anilanao dia mody
 fitahiana.
 Tano aho, Jeso, hiaraka
 Aminao
 Izay làlana ombako, e ! mba
 hazavao.

[V2]
 Izao no faniriako, manetsika
 ny fo :
 Ho sakaizanao mandrakizay
 doria ;
 Na inona mihatra, na inona
 manjo,
 Hianao no antenaiko hitàntana
 ny dia.
 O ! avia Jeso, tano aho e !
 Tantanonao ny diako,
 Tompo mamonje !

[V3]
 Izay sakaizanao, Jeso, no
 ampoky ny soa,
 Feno haravoana sy lavitra
 manjo ;
 Izay rehetra ilaina anananao
 tokoa,
 Raha miaraka Aminao,
 mionona ny fo
 Sambatra aho, Jeso,
 Tretrika tokoa,
 Ravo ny fanahiko, toloranao
 ny soa.

[V4]
 Inona no mamiko mihoatra
 noho Hianao ?
 Tompo manan-kery sy
 loharanon-tsoa ?
 Izay zavatra ilaiko azoko
 Aminao
 Koa onenanao ny foko, ho
 lapanao tokoa.
 Manjakà, Jeso, ato am-poko
 Hianao
 Izay fahotako e ! ry Tompo
 avelao.</lyrics>
<title>He sambatra aho, Jeso FFPM471</title>
</song>